Skip to content

Ampio Lasary

Popularity · Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Ampio lasary kely aloha Anamboarana fo, mila manadino an'iny aho Fa aretin'andoha Ampio lasary kely mitsy aloha ty Sao manjary mandoa Fa efa tena saika very 'Lay tia an'iny taloha Sondriana tamin'iny aho Saika tsy mety nifoha Tena tary maivan-doha aho Voarabireby tokoa Ampio lasary kely mitsy aloha ty 'Zay vao tohizako indray eh F'efa saika novadiako iny Vao nadaboko indray Nefa anaty verako ato Toa mbola hitako indray eh Saingy indrisy tato ho ato 'Lay angômana mamay eh Nefa tsy hiverina any intsony aho Ho adinoako ny fahiny Na mahantra masikiny aho Sanatria raha mbola iny eh Ampio lasary indray aloha Andaminana an'izany eh Dia ampiana pako pako Sy henabaolina iray Fa isika indray mazaka jaly eh Na misy ady mamay eh F'aleo mintsy hidaboka any iny eh Fa hitady hafa indray eh Nefa anaty verako ato Toa mbola hitako indray eh Saingy indrisy tato ho ato 'Lay angômana mamay eh Nefa tsy hiverina any intsony aho Ho adinoako ny fahiny Na mahantra masikiny aho Sanatria raha mbola iny eh