Namana
Dama & D'Gary
Popularity ยท Low
Listen
YouTube
0:00 / 0:00
Loading YouTube player...
Lyrics offset
Synced
Lyrics
O ia e, o ia e, e ia
Isika e tsy nanana
Dia nanana, namana
Tonga ny namana e, tonga avy lavitra
Hanafana ny lanonana, hanafana ny fiaonana
Fa ny andro androany dia andro fety a
Avelao avy hatrany izay tsy metimety a
Fa izy ity anie ry lahy, fa izy ity anie re olona e
Dia kilalao iombonantsika
Fa izy ity anie ry lahy, fa izy ity anie re olona e
Dia kilalao iraisantsika
Marina any izany raha mba laingako
O ia e, o ia e, e ia
Efa mitorajofo ny kianja manontolo
Andao isika andeha ho any a
Ireo mpanao kidodo efa tsemboka daholo
Andao isika andeha ho any a
Ireo mpandihy salegy efa somebiseby e
Andao isika andeha ho any a
Ireo mpandihy basesa efa miresaresa
Andao isika andeha ho any a
Ireo mpanao dihy soroka efa mila ho folaka
Andao isika andeha ho any a
Ireo mpanao jihehy toa tsy miteha-tany re
Andao isika andeha ho any a
O ia e, o ia e, e ia
Isika e dia nanana
Nahazo namana, tena namana
Nahazo namana fa tsy namanamana
Tonga avy lavitra e, tonga avy lavitra
Nivimbina fihavanana
Nivimbina fitiavana
Fa ny andro androany dia andro tsara
Ilay lolom-ponao any dia ampirimo tsara
Fa izy ity anie ry lahy, fa izy ity anie re olona e
Dia kilalao tiana hateza
Fa izy ity anie ry lahy, fa izy ity anie re olona e
Dia kilalao mbola ho ela
Ka aoka isika samy hifanaraka
Ka aoka isika samy tsy hisara-bazana
O ia e, o ia e, e ia