Voankazo voarara
Popularity ยท Low
YouTube
Searching YouTube...
Lyrics
Raha ity fiainana ity no lazaina
Dia izao no hataovy hataovy ao an-tsaina
Mihodina indray Miserana ihany
Feno hasomparana feno tomany
Raha vao latsaka ety an-tany
Dia injay sahady fa efa tomany
Mila hafanana
Mila fitia
Mbola lavitra mantsy ny dia
Soloy fitiavana ny andronao sisa
Ny fotoana anie ka efa voaisa
Efa voafetra sy efa voafaritra Ka anjaranao sisa miaritra
Mifankatiava raha mbola velona
Izany indrindra no maha-olombelona
Mifanampia, mifanasoava
Fa ny rahona mainty mbola hisava
Rahampitso anie mbola ho vovoka
ihany (Raha ity fiainana ity no lazaina)
Hody taolana sy vovoka an-tany (Dia
izao no hataovy hataovy ao an-tsaina)
Hitovy saranga Hitovy anjara
Fa nihinana voankazo voarara
Fa nihinana voankazo voarara (in-droa)