Skip to content

Hira

Reko
Popularity ยท Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Eh Izaho ihany ilay omaly Tsapako niha maivana aho Rehefa nizara taminao Nefa reko mbola marary Tiako ho sitrana izao dia izao Nefa tsy izay ngamba no ilaiko Vohaiko ny foko Na dia kely aza ny aiko Hikiry aho hatoky Ho bakoiko ny saiko Mba hisy hira hira tsara indray Hiarahako mihira Amin'ireo miady toa ahy Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko Tsy avelako ho faty Fa ho kopahiko Ataoko hira ho an'ireo miady toa ahy Eh Inty indray aho androany Sarotra amiko ny mihetry Izao somary mafy loha Nefa na izany na tsy izany Haiko hoe izaho no mila mianatra Fa tsy ianao no mila miova Be ny ambom-poko Kanefa be ireo tsy haiko Aoka re ny adisoako Ho lesona ho ampitaiko Mba hisy hira hira tsara indray Hiarahako mihira Amin'ireo miady toa ahy Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko Tsy avelako ho faty Fa ho kopahiko Ataoko hira ho an'ireo miady toa ahy Raha hiresaka amiko ny haintaina Ampianaro aho hiaina Aoka ny fahanginana hampianatra ahy Hahalala ahy Aoka ny fahelam-potoana Hampianatra ahy haharitra foana foana Aoka izay rehetra very Hampianatra ahy fa ny ahy ny hany Fananako dia ianao irery Ireo sento toloko Nanome hira ho hiraiko Misaotra manaiky antsoiko Na oviana ilaiko Fa misy hira, hira tsara izao Hiarahako mihira Amin'izao tontolo izao Raha mbola misy Hazavana kely Tsy avelako hofaty fa Ataoko hira ho an'izao tontolo izao