Skip to content

Feo Roa

Fanja Andriamanantena
Popularity ยท Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Inontsika moa ny andro zay mandalo Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo Hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana Ho ankafizintsika ka tsy hisy fitsaharana Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo Izay notiavintsika ka lasa namololona Tsara kolokolo ka tsiriritin'olona Fa ianao no amiko, izaho no aminao Isika no miaraka mozika tsotr'izao Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka Na tsiky na tomany no miraraka Ho inontsika moa ny andon'ny maraina Raha mitampify hatrany ny kalo zay hiraina Fa ianao no amiko, izaho no aminao Isika no miaraka mozika tsotr'izao Fa ianao no amiko, izaho no aminao Isika no miaraka mozika tsotr'izao Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka Mahavelon'aina ny hira izay hiraina o o Fa ianao no amiko, izaho no aminao A a a a a a a a a a a, o Fa tonony sy feo mampiray ny fo