Skip to content
Lyric
Dive
Public playlists
My playlists
Search
Sign in
Manta Vary
Mahaleo
Popularity ยท Moderate
+
๐ฒ๐ฌ Malagasy ยท Original
0
0
Listen
YouTube
1
2
3
0:00 / 0:00
Loading YouTube player...
Lyrics offset
Synced
Lyrics
Original
Translation
Bilingual
Lasa ny mamba dia misosoka ny voay
Tsy hanary lamba raha very olon'iray
Na solaina aza mety maniry ny volo
Raha ianao no lasa ve dia tsy hisy hisolo?
Indray mandeha no manta vary
Sanatria tsy handevi-tsotrobe
Tsy hataoko hankarary
Fa voa mainka izaho hihomehy
Mandehana soava-dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana
izay malaina hijanona o!
Mandehana soava-dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana izay malaina hijanona o!
Mamy ny fary nefa ny faikany harora
Fa fitia tsy hanjary harorako mora
Fa io aizina io mbola hody hazavana
Raha hafoinao aho anio ampitso hahita hafanana
Indray mandeha no manta vary
Sanatria tsy handevi-tsotrobe
Tsy hataoko hankarary
Fa voa mainka izaho hihomehy
Mandehana soava-dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana izay malaina hijanona o
Mandehana soava-dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana izay malaina hijanona o!
ย