Skip to content
Lyric
Dive
Public playlists
My playlists
Search
Sign in
Tsy Tara
REKO BAND
Popularity · Low
+
Original
0
0
YouTube
Searching YouTube...
Lyrics
Original
Translation
Bilingual
Ianao no namiratra indrindra tamin'ireo kintan'ny lanitra
Tamana aho niandrandra satria ny foko voasambotra
Nantsoina aho hisafidy izay tiana
Ianao no nalaiko satria ianao no efa niriana
Dia nandeha ny fotoana, tsy hay hajanona tsinona
Dia nandalo lohataona, dia nandalo ririnina
Dia hitako fa mora ilay mifidy izay tiana fa ny sarotra dia eo amin'ilay mitia ilay nofidiana e oh
Oooh
Malala a! Ny fitiavana fianarana, 'tsika mbola tsy tara, tsy tara, tsy tara oh
Oooh
Malala a! Tsara fa marary, marary nefa tsara, tsara
Ianao misitery ho ahy, izaho misitery ho anao
Toa diso foana aho, ianao mahay ny lalao
Isika samy mahalala izay tokony haleha fa ny hatongavana any mbola ezaka be oh oh
Oooh
Malala a! Ny fitiavana fianarana, 'tsika mbola tsy tara, tsy tara, tsy tara oh
Oooh
Malala a! Tsara fa marary, marary nefa tsara, tsara
Na sarotra na mora, isika tompon'andraikitra
Hiara hiady isika, tsisy ho varotra tsy raikitra
Hifampihaino, hifanangana, hifampiaro, hifampiharitra
Dia isika roa no hamiratra indrindra eny amin'ny lanitra e oh
Oooh oooh
Malala a! Tsara fa marary, marary nefa tsara
Tsara, tsara, tsara oh
Oooh
Malala a! Ny fitiavana fianarana, 'tsika mbola tsy tara, tsy tara
Ianao no mamiratra indrindra amin'ireo kintan'ny lanitra
Tamana aho miandrandra satria ny foko voasambotra