Tafandria Mandry
Popularity ยท Low
YouTube
Searching YouTube...
Lyrics
Rehefa hariva ny andro
Dia eto foana aho
Rehefa mody masoandro
Manatitra anao
Hanohy no faniriana
Fa tsy afaka atao
Ka ato anaty mangina miandry ny hafatrao
Na dia mihaona aza isika ny andro mazava
Dia toy ny sary indray mipika
Ny alina koa ity ho lava
Ka ho fehin'ny androany
Anoraty aho toy ny omaly
Hoe tena tia ianao
Malahelo aho no faly
Mba antsoy na andefaso hafatra
Satriko aza isan'andro
Tsy hoe mitalaho na mila vaniny aho
Na dia hoe tafandria mandry
Fihina sy oroka mamy
Variana sy sondriana miandry ilay fotoana
Malahelo olon-tiana
Tsy ahitan-teny toa mona
Soraty,andefaso izay mba tiako
Izao efa tsindrindona
Raiso,avy ato am-poko no amaliko
Hoe izaho koa tia foana
Mba antsoy na andefaso hafatra
Satriko aza isan'andro
Tsy hoe mitalaho na mila vaniny aho
Fa na dia hoe tafandria mandry
Fihina sy oroka mamy
Oh oh tsy fanahiniana ny anembona anao alohan'andrina
Oh oh izay no faniriana ho entiko nofy fa tsy andry ny ampitso
Mba antsoy na andefaso hafatra
Satriko aza isan'andro
Tsy hoe mitalaho na mila vaniny aho
Fa na dia hoe tafandria mandry
Fihina sy oroka mamy