Skip to content

Sexy girl

Popularity · Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Zaza niara-kely teny Ambondrona Niara nanary fako fony boto Niara nisondrotra, niara nitombo e! Dia niara nitsiry koa ny fitia Dia niaraka nibalady Tafakatra avo be ny maropana Dia nifanao dina hiara dia e! Samy nivetsivetso fa hivady Vao maraina dia efa ateriko an-tsekoly Mifampiandry koa raha hody ny hariva re! Vao 17 taona tsara indry, nanaraka an-dry zalahy tany amin'i AMNESIA Nanomboka teo ianao dia tia nandihy Nanaraka an-dry zalahy INDRA Nanaraka an-dry zalahy KALEIDO Nanaraka an-dry lehirony koa CAVEAU Dia nihanika samirery PAPILLON e! Dia niaraka taminao ny Sinoa Dia niaraka taminao ny Karana Vazaha be koa ny tato afara e! Dia lasan-dry lehirony ny akamako Dia lasan-dry lehirony ny fananako Vetavetan'ny Vazaha ity anjarako e! Fa efa lasany dia tsy averiny eto intsony Lasany dia nasidiny any ambony Izaho indray no noraisina teto r'ireto a! Eo ianao no noraisina e! Fa efa lasany dia tsy averiny eto intsony Lasany dia nasidiny any ambony Izaho indray no noraisina teto r'ireto a! Eo ianao no noraisina e! Fa sexy e! Sexy e! Sexy girl e! Fa sexy e! Sexy e! Fa Sexy girl e! Dia tsy tsaronao ve retsy ianao natosiko tamin'ny kalesy taloha Ankehitriny aho efa voa, ka gestiavanao MERCEDES e! Dia tsy tsaronao ve retsy isika sy ianao Nifanolotra voatsinefa etsy ambodifilao e! Ankehitriny ianao tsy misotro raha tsy FRESH 'Zaho tsy mahatakatra CD n'i Maria Carey Anambazako anao sipa o! Raha tia ahy ianao e! GORISAGORISA revena ho'a! Aza asiana fanazavana ara-tsiantifika e! F'efa arako ny toetranao, fa toetran'alika Aza asiana taratasy manazava mankany an-trano Tsy vakiko akory e! fa tonga dia doro F'efa koboko ianao Koboko ianao Koboko ianao tamin'ny fahitalavitra Efa koboko ianao fa manao CLIP amin'ny tarika hafa Efa koboko ianao manao MANEQUIN'ny agence TOTEM En plus n'izay e!kilalaon'ny Vazaha koa ianao Fa sexy girl e! Tsy mahalala menatra intsony e! F'efa babon'ny vola ny fony Raha any amin'ny Vazaha ny vola e! Dia raha tsy Vazaha tsy hidola Raha any amin'ny Karana ny vola e! Dia raha tsy Karana tsy hidola Raha any amin'ny Sinoa ny vola e! Dia raha tsy Sinoa tsy hidola Fa sexy Sexy e Sexy girl e! Dia lasanao any mihitsy ny inspiration-ko ry kalan'iny a! Rahoviana ary ianao vao hitako Amin'ny magazine VIDEO7 na OK PODIUM na PLAY BOY'z e! Fa sexy an'Antananarivo ianao, tsy mihoatra an'i Gasikara Tokontaninao tsy misy afa-tsy Antaninarenina dia TsaralalAna e! Tsy lasa lavitra amin'ny io tarandra io zan'ny ianao i kala an'ina ty Dia tsy hiandry anao intsony i Samoela F'efa dilan'ny ela sy ny ela e! Fa ny lasa tsy hiverina intsony Na dia naratra ny fony e! Ny hoavinao no antsoiny tody Dia varatra sy hozona e! Tsatok'antsy sy poizina Te-hianjera aminao iny ho valin'ny fahiny Hanafaka tsiny Sy ho tamin'ianao virijiny ho'a! Fa sexy girl e! Fa sexy girl e! Fa sexy girl e!