Skip to content

Fefy Tsilo

Popularity ยท Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Fefy tsilo tsy azo ihoarana No miaro ny foko ao mba ho azy ihany Ilay fitia izay nomeny ahy Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray Babony aho Ny tenako tsy tiany ho very Fa ho azy mandrakizay, ho doria Ny fiainanay tsy tiany hisy fery Fa hadio hatrany, lafatra Fantany fa maro be ireo fakam-panahy (ho ahy) Fahavalo n'inona n'inona antony Fefy tsilo tsy azo ihoarana No miaro ny foko ao mba ho azy ihany Ilay fitia izay nomeny ahy Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray Babony aho Ny fihaonanay omeny hafanana Tsy tsaroako akory ilay masoandro, n'aiza n'aiza Ny aizinay fenony hazavana Hery iray namatotra ahy ny fitsiny Zovy moa no tsy mahalala fa ny fitiavana Tsy hananan-kavana n'inona antony Fefy tsilo tsy azo ihoarana No miaro ny foko ao mba ho azy ihany Ilay fitia izay nomeny ahy Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray Babony aho