Skip to content

Aina Iray

Popularity ยท Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Sitrana aho raha toa ka ianao No miara-miaina ao anatiko ao Satria tsy ho ritra Ny rร  mikoriana ao Izay lalako no ho diavinao Ny tanako no ho tantananao Ka tsy ho irery aho Tsy ho very mandrakizay Izay lazainao no teny mamy ho ahy Izay vohainao no idirako Ho feno avokoa ireo banga taloha Ho fiainam-baovao ihany koa Satria olon-droa no handeha hiray fo Tsy mety ho levona ilay fitia Hilaozana avokoa ireo ditran'ny fo Fifandeferana no ao aloha Ho haiko ny hitaiza ny ao anatiko ao Fa aina iray no natao ho anay roa Mambabo ho ahy ny hatsaranao Izay mahita taitra avokoa Fa toy ny adala aho Rehefa tsy tazana ianao Hilamina ary tsy hankahia Ny adiady kelim-pitia Natao tsy hisy fery Ilay hasambarana ho ahy sy ho anao Izay lazainao no teny mamy ho ahy Izay vohainao no idirako Ho feno avokoa ireo banga taloha Ho fiainam-baovao ihany koa Satria olon-droa no handeha hiray fo Tsy mety ho levona ilay fitia Hilaozana avokoa ireo ditran'ny fo Fifandeferana no ao aloha Ho haiko ny hitaiza ny ao anatiko ao Fa aina iray no natao ho anay roa