Skip to content

Mofo tantely

Mahaleo
Popularity ยท Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Hitako omaly ireo zanakao Tao an-tokotany tao nilalao. Fa nampanataoviny mantsy aho omaly nandalondalo saika hamangy Teo am-bavahady aho no nijoro tsy nisy afa-tsy tanam-poo Hitondra bรดnbรดn ve izaho sa sรดkรดla Ho an'ny zanakao mianadahy. Ref: Tsaroako ianao fahiny mihinana mofon-tantely Ity vetsovetso ataoko androany ity. Ho anao ilay tsy lany mamy Mitovy aminao ikalavavinao Tahafiny ireo masonao Matahotra izy nahare varatra Varatra avy any an-danitra Ilay lahy kosa maherihery setra Mitovy taminao naditraditra Milalao ranon'orana izy dia mihirahira aviavia raha orana. Ref(2) Hitako omaly koa ilay vadinao Izy angamba mahafinaritra Niafona aho anefa toy ny mpangalatra Ny marimarina izaho menatra. hampanateriko ireo sรดkรดla Ho an'ny zanakao mianadahy tsy hifanatrika aho tsy handroso satria ianareo roa ho ambinin-tsoa Ref(2)