Skip to content

Hiakatra Sa Hidina

Dama & D'Gary
Popularity ยท Low

Listen

YouTube

0:00 / 0:00
Loading YouTube player...
Lyrics offset
Synced

Lyrics

Efa ela isika no niara-dia nefa raha sendra nisy nikodia navela nitsipika ho azy tery Efa ela isika no niara-dalana sendra lalana feno sampanana dia adino ve ny dina ikambanana Manahirana ery ny mitady ny lalan-kombana ny mitady zay misy hazavana Hiankavanana sa hiankavia no hahitana ny lalan-kivoahana no hahitana zay mety iarahana Hiara-hiakatra sa hiara-hidina Mba mahatokana ianao ry sakaiza tena marina tena marina mba mahatokana ianao ry sakaiza tsy matahotra, tsy matahotra Raha irery mandeha miankavanana sendra hantsana tsisy hanolo-tanana Raha irery mandeha miankavia tsy misy mpijery raha toa mikodia Tsy milamina akory ny tany dia ianao mahasahy mandeha irery Manahirana ery ny mitady ny lalan-kombana ny mitady izay misy hazavana Hiakavanana sa hiankavia no hahitana ny lalan-kivoahana no hahitana izay mety hiarahana Hiara-hihemotra sa hiara-handroso Hiara-hidola sa hisosososo