Skip to content

Sao dia ataon'ialahy hoe

Mahaleo
Popularity ยท Low

YouTube

Searching YouTube...

Lyrics

Sao dia ataon'ialahy hoe manadino letsy aho a Tsia letsy a, tsy maintsy mody any letsy aho a Sao dia ataon'ialahy hoe mirediredy letsy aho a Tsia letsy a, mbola tsy bedy letsy aho a Ny fiainana, hono letsy, tsy vita mora Raha vao solafaka eo ialahy, be ny mpanakora Ka ny mora kivy, io no tsy atao Fa ao ambadika ao ny anjaranao Sao dia ataon'ialahy hoe katry lava letsy aho a Tsia letsy a, mba misotrosotro letsy aho a Sao dia ataon'ialahy hoe mamo lava letsy aho a Tsia letsy a, fa malahelo letsy aho a Ny fiainana, hono letsy, tsy vita mora Raha vao solafaka eo ialahy, be ny mpanakora Ka ny mora kivy, io no tsy atao Fa ao ambadika ao ny anjaranao Sao dia ataon'ialahy hoe mihani-kazo letsy aho a Tsia letsy a, mamboly voninkazo letsy aho a