Skip to content

Mila Namana

Popularity · Low

Listen

YouTube

0:00 / 0:00
Loading YouTube player...
Lyrics offset
Synced

Lyrics

Aza fantatro anie ny adiresinao iny e Fa amangivangiko anao ô, Mba matetika ange Aza fantatro oah! ny telefônao iny e Fa andaniko 25 unité amin'ny télécarte e Aza fantatro anie ny adiresinao iny e Fa amangivangiko anao ô, Mba matetika ange Aza fantatro oah! ny telefônao iny e Fa andaniko 25 unité amin'ny télécarte e Fa ny bikasoanao iny e Dia tsy matiko lolo ô Ny tsikitsikinao iny ihany koa Dia mandorondoro Ny hevitra ambaranao amiko ange Ohatran'ny mifonofono ô Ka izany no nahatonga anah Hisarizoro aminao zah oeh Dia hikôtikôty Dia hisafosafo Dia hikitikitika Dia hisarisarika e Dia hikôtikôty Dia hisafosafo Dia hikitikitika Dia hisarisarika e Efa fantatro fa Misy fitiavana e Anatin'ny lohanao any e Misy fikasana Anatin'ny nifinao any e Misy entana oah Amin'ny atin-akanjonao any e Mila namana oah Ny amin'ny atin-akanjonao any e Ka aza hodianao fanina izany a Fa isika sy ianao no mitambatra anie Hikatsaka ny fifaliana Dia ho tonga amin'ny tanjona irina oah Ho eny an-tany ny sambatra e Fa isika sy ianao no mitambatra anie Hikatsaka ny fifaliana Dia ho tonga amin'ny tanjona irina oah Ho eny an-tany ny sambatra e Manao dômy ny mpifankatia Ianao no mitela ny double enina Manao ramy oah ny mpifankatia Tsy maninona efiko trefla ô Fa efa matotra tsara e Ao amin'ny ara-dalàna Tsy anampina ary tsy analana oah Fa efa matotra tsara e Efa matotra tsara e Ao amin'ny ara-dalàna Tsy anampina ary tsy analana oah Fa efa matotra tsara e Aiaieh, aiaialalala! Aiaieh, aiaiaôh! Aza atao an'izany aho oah chérie chérie e! Aza hodianao fanina izany ity foko ity! Aza angaringariana sy iavonavonana aloha zah oeh! Fa rehefa mitsika aho oah dia mba valio Aza atao an'izany aho oah chérie chérie e! Aza hodianao fanina izany ity foko ity! Aza angaringariana sy iavonavonana aloha zah oeh! Fa rehefa mitsika aho oah dia mba valio