Skip to content
Lyric
Dive
Public playlists
My playlists
Search
Sign in
Handeha Isika Hody e - Rentrons À la Maison
Erick Manana, Fenoamby, Justin Vali, Régis Gizavo & Dama
Popularity · Low
+
🇲🇬 Malagasy · Original
0
0
Listen
YouTube
1
2
3
0:00 / 0:00
Loading YouTube player...
Lyrics offset
Synced
Lyrics
Original
Translation
Bilingual
Tsy fidiny aho, nandao ny morontsiraka
Ny fahoriana moa no mazaka maniraka
Nilaozako ny akany sy ireo hava-mamy
Nandaozako azy ireo, ranomaso sy tomany
I dada malala nitsodrano ahy
I neny tsy foiko e, nivavaka ho ahy
Izao tontolo izao nolalovako avokoa
F'ilay akany kely o no miraikitra ato am-po
Andeha tsika hody e, any aminay e
Ny ao an-tanana mahay mifankatia
Rehafa tonga vahiny, mifampindrana viliha
Eo an-tokotany be ireo ankizy no mandihy
Izahay sy zokinay milalao valiha
Rehefa anjaranay no mitoto vary
Ndre ry Bozy kely e no manao kivarivary
Izahay sy Beza kely maka kitay
Zarainay izay azo o fa efa fombanay
Andeha tsika hody e, any aminay e
Rehefa misy adiady ny ao an-tanana
Dia ny loholona no tompom-pahefana
Tsy mba misy fitoriana na hoe tribonaly
Fa vita am-pahendrena ny fiainana sosialy
Raha misy fahoriana na misy fifaliana
Dia miray hina fa iray fiaviana
Fa Malagasy Ray, Malagasy Reny
Manome haja ny zom-pirenena
Andeha tsika hody e, any aminay e