Mananjary
Popularity ยท Low
Listen
YouTube
0:00 / 0:00
Loading YouTube player...
Lyrics offset
Synced
Lyrics
Mianatsimo miantsinananana
No fizotran'ity lalana
Ho any Mananjary aho re'ory o!
F'izao vohitra ao izao
No namoizako anao
Ry ilay Iarivo tsy foy o!
Mbola teny antsasa-dalana
Dia nirotsaka mahalana
'Lay erikerika kely
Fambara fa vonon-kandray
Na dia efa hariva aza izahay.
Dia natao ho an'ireo mpiala sasatra ve?
ร รด รด!
Dia natao ho an'ireo olon-dresy kosa ve?
Asanao, asanao, asanao!
Kanjo nony harivariva
Ny masoandro efa iva
Io Mananjary fa hita รด!
Toa ampela tsisy tsiny
Mihaingo hariva handray vahiny
Sy miarahaba fa tafita รด!
Alokaloka voanio
Rivo-tsoa sy madio
Mampanadino an'Iarivo
Ilay fahanginany koa
Tsy manampaharoa tokoa
Dia natao ho an'ireo mpiala sasatra ve?
ร รด รด!
Dia natao ho an'ireo olon-dresy kosa ve?
Asanao, asanao, asanao!
Ho any Mananjary aho re'roy รด!