Skip to content

Rasetafaikany

Dee.
Popularity ยท Low

Listen

YouTube

0:00 / 0:00
Loading YouTube player...
Lyrics offset
Synced

Lyrics

Mangidy ny toaka Fa firy no misotro azy ahitana sombin'amamiana? Mavesatra ny Teny Fa tsisy dikany ireny raha oharina amin'izay nolanjainy Neny Maro ireo manenjika ahy Fa vitsy loatra anefa ireo nandihy ny lalana nodiavako Maro ny notiaviko Fa ny androany no hodioviko fa ny omaly efa nataoko hoe fahavaloko Fa ny adisoako omaly mantsy, Iny no amaritany ahy Handrabirabiany ahy rahatrizay Fa ny tsara ataoko androany anefa Ohatran'ny vovoka oentin-drivotra mandalo ihany tsy mitoetra Fa ny tsara ataoko androany anefa Mandalo ihany tsy mitoetra Aiko fa ny soa ho ahy mety ho faharesen'ny sasany Ny soa hoazy mety tsy ho afaliako 'koa Fa ny soa atao izao tsy levenam-bola intsony fa levenana antsy izay mba manamanam-bola Fa miara-miaina eto fa tsy mitovy saina Te ihinam-bary izy fa kamo hamadi-bainga Te ho tafita izy fa kamo ampiasa saina Dia misy ny Abela dia misy koa ny Kaina Fa tsy ho ataoko fantany ny ratram-poko Efa reako fofona ny lokon-tsainy Efa rean'ny sofiko ny fosafosa Fa tsy hoe resy akory izaho raha tsy miteny Raha tsy manaiky aho dia lazainy ratsy toetra Raha te hivoatra aho dia lazainy matikambo Te hitraotra dia ny pozina no foako fa hatramin'izao aho mbola tsy mety hofaty ihany Fa nalaviriko ahy ny zava-mahadomelina Satria izay fetsifetsy ihany hono no tafa Fa ho tambiny ranomaso nipatrapatraka ny fandreseko hipoaka ohatrany varatra Fa amin'izay aho tsy hanakora azy Amin'izay aho mbola hitsiky foana Amin'izay dia tsy ho tsaroako intsony Ireo ratra nataony ahy tamin'izany fotoana Fa nitora-bato izy fa tsy nandinin-tena Zana-drafy ka tsy nanana ny rariny Nefa sarotra takonana ny marina fa androany ialahy mianjery dia rahampitso mila miharina Sao tara loatra lesy vao ho ajanona ny revirevy sy ny tariny Aiko mihintsy hoe revy fa tsy ditra fa tandremo lesy ilahy sao tsy tafiarina Fa ny olom-belona eto manakiana ny hainy Raha manamanam-bola ialahy lazainy fa mikiky Raha mitady fanampiana ialahy mahazo tehamaina Miandry an'ialahy hianjera ireo fa fitaka ny tsiky Fa ny olom-belona eto manakiana ny hainy Raha manamanam-bola ialahy lazainy fa mikiky Raha mitady fanampiana ialahy mahazo tehamaina Miandry an'ialahy hianjera ireo fa fitaka ny tsikitsiky Fa ny fiainana lesy efa hitako ny faitrany ah Tsingerin-taona midika amiko hoe akaikin'ny fetrany aho Halan'olo maro aho FA TIAN JANAHARY OHATRAN'I RASETAFAIKANY AHO.